Luke 12

1Tamin’izany, rehefa niara-niangona ny vahoaka an’arivony maro, maro loatra hany ka nifanitsa-kitro izy ireo, voalohany indrindra dia nanomboka niteny tamin’ireo mpianany Izy hoe: ‘’Tandremo ny masirasiran’ireo Fariseo, izay fiatsarambelatsihy.

2Fa tsy misy takona izay tsy haseho, ary tsy misy miafina izay tsy ho fantatra. 3Ka na inona na inona nolazainareo tao amin’ny haizina dia ho re ao amin’ny fahazavana, ary izay nolazainareo teo an-tsofina tao anaty efitrano dia hambara eny an-tampon-trano.

4Milaza aminareo Aho ry namako, aza matahotra ireo izay mamono ny tena, ary aorian’izany dia tsy misy na inona na inona azony atao intsony. 5Fa hampitandrina anareo Aho ny amin’izay hatahorana. Matahora ilay Iray izay, izay rehefa avy mamono, dia manana ny fahefana ny hanary anareo any amin’ny helo. Eny, miteny aminareo aho, matahora Azy.

6Tsy amidy farantsa kely roa ve ny tsintsina dimy? Kanefa tsy misy iray amin’ireny izay adino eo imason’Andriamanitra. 7Fa na ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Aza matahotra. Fa manan-danja mihoatra nohon’ny tsintsina maro ianareo.

8Hoy Aho aminareo, izay rehetra manaiky Ahy eo anatrehan’ny olona, ny Zanak’Olona ihany koa dia hanaiky azy eo anatrehan’ireo anjelin’Andriamanitra, 9fa izay mandà Ahy eo anatrehan’ny olona dia ho lavina eo anatrehan’ireo anjelin’Andriamanitra. 10Izay rehetra miteny manohitra ny Zanak’Olona, dia ho avela aminy izany, fa izay rehetra miteny ratsy manohitra ny Fanahy Masina kosa, dia tsy ho voavela izany.

11Rehefa mitondra anareo eo anatrehen’ny synagoga, ireo mpanapaka, sy ireo manam-pahefana izy ireo, dia aza manahy ny amin’izay ho fomba fiteninareo ho fiarovan-tenanareo, na izay ho lazainareo, 12satria ny Fanahy Masina no hampianatra anareo izay tokony ho lazainareo amin’izany ora izany.‘’

13Avy eo nisy olona iray avy tao amin’ireo vahoaka niteny taminy hoe: “Ry mpampianatra, teneno ny rahalahiko mba hizara ny lova amiko.” 14Jesosy niteny taminy hoe: “Ralehilahy, iza no nanao Ahy ho mpitsara na mpanelanelana anareo?” 15Hoy Izy tamin’izy ireo hoe: “Miambena mba hihazonanareo ny tenanareo lavitra ireo fanirian-dratsy rehetra, satria ny fiainan’olona iray dia tsy miankina amin’ny fitobaky ny fananany.”

16Avy eo Jesosy nanao fanoharana iray tamin’izy ireo, nanao hoe: “Namokatra be ny sahan’ny lehilahy mpanankarena iray, 17ary nanontany tena izy, niteny hoe: ‘Inona no ho ataoko, fa tsy manana toerana hitahirizana ireo vokatro aho?’ 18Hoy izy hoe: ‘Izao no ho ataoko. Hazerako ireo trano fitoeram-bokatro dia hanangana lehibe kokoa aho, ary ao amin’ireo no hanangonako ny voako sy ireo vokatra hafa. 19Dia hiteny amin’ny fanahiko aho hoe: “Ry fanahy, ianao dia manana vokatra betsaka voatahiry ho amin’ny taona maro. Mitsahara tsara, mihinàna, misotroa, mifalia.’”

20Fa Andriamanitra niteny taminy hoe: ‘Ralehilahy adala, androany alina ny fanahinao no halaina aminao, ka ireo zavatra izay nomaninao, ho an’iza ireo?’ 21Izany ny olona izay manangona harena ho an’ny tenany ary tsy manan-karena manoloana an’Andriamanitra.”

22Jesosy niteny tamin’ireo mpianany hoe: “Noho izany dia lazaiko aminareo, aza manahy ny amin’ny ainareo- izay ho haninareo, na ny momban’ny tenanareo- izay ho tafinareo. 23Fa ny aina dia mihoatra noho ny sakafo, ary ny tena dia mihoatra noho ireo fitafiana.

24Hevero ny goaika, tsy mamafy ireny na mijinja. Tsy manana fitoeram-bokatra ireny na trano fitahirizana, kanefa omen’Andriamanitra hanina ireny. Tahaka ny ahoana ny fihoaranareo lanja mihoatra noho ireo vorona! 25Iza aminareo no afaka manampy hakiho iray ny andro iainany amin’ny fanahiana? 26Koa raha izany zavatra kely indrindra izany aza tsy ainareo atao, nahoana ianareo no miahiahy ny amin’ny sisa?

27Hevero ireo lilia_ manao ahoana ny faniriny. Tsy miasa izy ireny, na mamoly. Kanefa lazaiko aminareo, na Solomona tamin’ny voninahiny manontolo aza tsy nitafy tahaka ny iray tamin’ireny. 28Raha tafian’Andriamanitra tahaka izany ireo ahitra eny an-tsaha, izay eo androany, ary ny ampitso dia ariana anaty fatana, toy ny ahoana ny hanafiany anareo mihoatra lavitra noho izany, ianareo ry kely finoana o!

29Aza mitady izay ho haninareo sy izay ho sotroinareo, ary aza miahiahy. 30Fa ireo firenena rehetra eto amin’izao tontolo izao ireo dia mitady ireny zavatra ireny, ary fantatry ny Rainareo fa mila ireny ianareo.

31Fa katsaho ny fanjakany, dia homena ho fanampiny ho anareo ireny zavatra ireny. 32Aza matahotra, ry andian’ondry vitsy, satria ny Rainareo dia tena faly ny hanome anareo ny fanjakana.

33Amidio ireo fanananareo ary omeo ny mahantra. Manaova fitoeram-bola ho an’ny tenanareo izay tsy mety ho tonta_ harena any an-danitra izay tsy mety lany, izay tsy misy mpangalatra manakaiky, ary tsy misy kalalao manimba. 34Fa any amin’izay hitoeran’ny harenareo, dia ho any ihany koa ny fonareo.

35Aoka ny akanjo lavanareo ho hasikinareo ny valahanareo, ary aoka ny jironareo hirehitra hatrany, 36ary manaova tahaka ireo olona izay miandry ireo tompony hiverina avy any amin’ny lanonam-pampakaram-bady, mba rehefa tonga izy ka mandondona, dia ho afaka hanokatra ny varavarana ho azy avy hatrany izy ireo.

37Sambatra ireo mpanompo, izay hitan’ny tompony fa niambina rehefa tonga izy. Lazaiko marina aminareo, fa hisikina ny lamba lavany amin’ny valahany izy, ary hampipetraka azy ireo eo an-databatra, ka ho avy izy ary hanompo azy ireo. 38Raha ho avy amin’ny ora faharoa amin’ny alina ny tompo, na amin’ny ora fahatelo aza, ka mahita azy ireo vonona, dia ho sambatra ireo mpanompo ireo.

39Ho fanampin’izany dia fantaro izao, fa raha fantatry ny tompon-trano ny ora hatongavan’ny mpangalatra, dia tsy namela ny tranony ho vakiana izy. 40Mivonòna ihany koa, fa tsy fantatrareo ny ora hiavian’ny Zanak’Olona.”

41Petera niteny hoe: “Tompo ô, aminay ihany ve no itenenanao izany fanoharana izany, sa amin’ny olon-drehetra ihany koa?” 42Ny Tompo niteny hoe: “Iza ary no mpitantana mahatoky sy hendry izay ho tendren’ny tompony ho ambonin’ireo mpanompony hafa mba hanome azy ireo ny anjara hanin’izy ireo amin’ny fotoana mety? 43Sambatra izany mpanompo izany, izay hitan’ny tompony manao izany rehefa tonga izy. 44Lazaiko marina aminareo fa ho tendreny hanapaka ny fananany rehetra izy.

45Fa raha miteny ao am-pony izany mpanompo izany hoe: ‘Nahemotry ny tompoko ny fiverenany,’ ka manomboka mamono ireo mpanompo lahy sy vavy, ary mihinana sy misotro, ka lasa mamo, 46ny tompon’izany mpanompo izany dia ho avy amin’ny andro tsy ampoiziny, ary amin’ny ora tsy fantany, ary hanapatapaka azy ka hanomana toerana ho azy miaraka amin’ireo tsy mahatoky.

47Izany mpanompo izany, nahafantatra ny sitrapon’ny tompony, kanefa tsy niomana na nanao araka ny sitrapony, dia ho kapohina amin’ny fikapohana maro. 48Fa izay tsy nahafantatra ary nanao izay mendrika ahazoana kapoka kosa, dia ho kapohina amin’ny fikapohana kely. Fa ireo rehetra izay nomena be, dia ho be kokoa no ho takiana aminy, ary ireo izay nanankinana be, dia ho be lavitra aza no hangatahina aminy.

49Tonga Aho hanipy afo eny ambonin’ny tany, ary toy ny ahoana ny faniriako mba hirehetan’izany sahady. 50Fa manana fanaovam-batisa mba hanaovana batisa aho, ary toy ny ahoana ny fahoriako mandra-pahatanterak’izany!

51Mihevitra ve ianareo fa tonga Aho mba hitondra fiadanana eto an-tany? Tsia, milaza aminareo aho, fa fisarahana aza. 52Manomboka izao dia hisy dimy ao amin’ny trano iray izay hisaratsaraka_ olona telo manohitra ny roa, ary olona roa manohitra ny telo. 53Hisaratsaraka izy ireo, ny ray hanohitra ny zanaka lahy, ary ny zanaka lahy hanohitra ny ray; ny reny hanohitra ny zanaka vavy ary ny zanaka vavy hanohitra ny reny; ny rafozam-bavy hanohitra ny vinanto vavy, ary ny vinanto vavy hanohitra ny rafozam-bavy.”

54Niteny tamin’ireo vahoaka koa Jesosy hoe: “Rehefa mahita rahona miforona eny andrefana ianareo, dia hoy avy hatrany ianareo hoe: ‘Hisy ranon’orana ho avy,’ ary dia mitranga izany. 55Rehefa misy rivotra mitsoka avy any atsimo, dia hoy ianareo hoe: ‘Hisy hafanana be ho avy,’ ary mitranga izany. 56Ry mpihatsaravelatsihy, hainareo ny mandika ny toetoetry ny tany sy ny lanitra, fa ahoana no tsy ahaizanareo mamantatra izao andro ankehitriny izao?

57Nahoana ianareo no tsy mitsara izay marina ho an’ny tenanareo? 58Fa rehefa mandeha miaraka amin’ny mpifanandrina aminareo eo anatrehan’ny mpitsara ambony ianareo, eny an-dàlana dia miezaha handamina ny olana miaraka aminy mba tsy handehanany handrirotra anareo eo amin’ny mpitsara, ary mba tsy hanoloran’ny mpitsara anareo any amin’ny mpamatotra, ary mba tsy handefasan’ny mpamatotra anareo any am-ponja. Hoy aho aminareo, tsy ho tafavoaka ao mihitsy ianareo mandra-pandoanareo ny vola farany izay madinika indrindra.”

59

Copyright information for PltULB